Raozery Masina Araka Ny Baiboly
Hanajana An'i Masina Maria Virjiny

Raozery Masina Araka Ny Baiboly
Hanajana An'i Masina Maria Virjiny

Ho an’ny Trinité Masina
Ho an’i Masina Maria Virjiny
Mpanjakavavin’ny Rozery ao Pompei.
Ny Papa Joany Paoly II

Faneohana

Ity Rozerin’i Baiboly Masina Maria Virjiny ity dia misy ireo Mistery 7 sy fandinihana ary vavaka mandritra ny andro fito amin’ny herinandro.

Ny mistery tsirairay dia voalahatra araka ny Baiboly : satria amin’ny fitanisana ny Rozery dia tsara ny mandinika ihany koa ny tantara rehetra mikasika ny Famonjena izay lazaina indrindra fa ny «andro alahady dia andron’ny fitsanganan’i Kristy ho velona, sady Pakan’ny Tompo indrindra ihany koa».

Noho izany dia dinihina manaraka ny firafitry ny Baiboly ny momba an’i Jesoa Kristy sy ny Reniny masina (“µακαριοῦσίν με”: Lc 1,48) araka izao fandaharana izao:

ALATSINAINY MISTERIN’NY NAHARIANA IZAO TONTOLO IZAO;
TALATA MISTERIN’NY HERIN’ANDRIAMANITRA;
ALAROBIA MISTERY MAHAFALY;
ALAKAMISY MISTERY MAMPALAHELO;
ZOMA MISTERIN’NY FAHAZAVANA;
SABOTSY MISTERIN’NY FAHANGINAN’ ANDRIAMANITRA;
ALAHADY MISTERY BE VONINAHITRA.

Marihina fa ity Rozery ity dia tsy azo anesorana mihitsy:

  1. izay misy ny rozery efa nahazatra ny Fiangonana hatrizay, toy ny mistery mahafaly, misterin’ny fahazavana, ny misterymampalahelo ary ny mistery be voninahitra.
  2. Eo am-pandinihana sy fhainoana ny Tenin’Andriamanitra na fianarana ny Soratra Masina, dia tsara indrindra ny manao tsy an-kijanona io vavaka sy fandinihana ao amin’ny Rozery Masina araka ny Soratra Masina io mba hahafantarana eo amin’ny fiainantsika fa lehibe ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona sy ny fiahiany azy eo am-pitadiavana ny tena Famonjena ; izay tsy azo raha tsy amin’ny fanekena, fanaovana «ENY» amin’Andriamanitra tsy am-pihambahambana sy tahotra fa amin’ny fo tokoa.

Amin’ny alalan’ity Rozery masina ity àry dia ny saotra sy dera no hoan’Andriamanitra, ary fanajana tanteraka ho an’i Masina Maria Virjiny sy ny Anjely izay nilaza tamin’i Masindahy Josefa vadiny masina hoe : «Aza matahotra ny hampakatra an’i Maria ho vadinao, fa ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina» (Mt 1, 20).

Tsara ho tsaroana:

AZA MATAHOTRA! AZA MATAHOTRA! AZA MATAHOTRA!

NY VIRJINY MASINA HITONDRA ANAO TOKOA ANY AMIN’I JESOA!

Manaova taratasy fanafarana ireto «taratasin’ny Papa» ireto (S. Ioannes Paulus PP. II):


TOY IZAO NY FITANISANA AZY

  • Aorian’ny Famantaran’ny Hazofijaliana, dia atao ny « Voninahitra anie », sy ny vavaka anankiroa ao amin’ny fanombohana, avy eo dia lazaina ny Mistery izay hatao vao manao ny «Rainay 1» sy «Arahaba ry Maria 10» arahina «Voninahitra anie» dia atao indray ny vavaka 2 tamin’ny fanombohana vao lazaina ny Mistery manaraka, dia toy izany hatrany hatrany.
  • Mandritra ny fanaovana ny Rainay sy ny Arahaba ry Maria 10, dia atombona tsara ao amin’ny Mistery voalaza ny fo sy ny saina.

Indro àry ny vavaka sy ny

Misterin’ny Ropzery masin’i
Masina Maria Virjiny araka ny Baiboly:

Famantaran’ny Hazofijaliana: Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen!

Voninahitra anie, ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Ho soavina mandrakizay anie i Masina Maria Virjiny tsy voakasiky ny fahotana tamin’ny fototra, Renin’Andriamanitra sy Renintsika.

Ry Jesoako ô,, avelao ny helokay, arovy amin’ny memin’ny afobe izahay, tariho hankany an-danitra ny Fanahy rehetra, fa indrindra ireo izay mila ny famindram-ponao tokoa.

[Dia lazaina eto ny Mistery]

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany, tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny haninay isan’andro, avelao ny fahotany, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha any amin’ny ratsy. Amen. (im-polo).

Arahaba ry Maria feno hasoavana, ny Tompo ao aminao, nosoavina noho ny vehivavy rehetra Ianao, ary nosoavina i jesoa naloaky ny kibonao. Masina Maria Renin’Andriamanitra mivavaha ho any mpanota, ankehitriny ary amin’ny andro hahafatesanay. Amen. (im-polo).

MISTERIN’NY FAHARIANA
(isaky ny Alatsinainy)

  1. YHWH (Jahvè): ANDRIAMANITRA nahary ny tany sy ny LANITRA (ΛΟΓΟΣ - VERBUM), tamin’ny alalan’ny teniny sy ny FANAHINY MASINA izay nisonenika teny ambony rano mba hanamasina ny voary rehetra.
  2. ANDRIAMANITRA nahary ny Olombelona, lahy sy vavy, mitovy endrika aminy.
  3. ANDRIAMANITRA nampanantena Vehivavy iray izay hanorotoro amin’ny tongony ny lohan’ny menarana izay fahavalon’ny olombelona rehetra.
  4. Melkisedeka, Mpanjaka ary Mpisorona, dia manolotra am-paminaniana ny mofo sy divay amin’ny Tompo ho fisaorana noho ny fandresen’i Patriarika Masina Abraham. (Jen. 14, 18-20).
  5. Abrahama nampiantrano an’Adriamanitra Trinite tao amin’ireo terebintan’ny Mambre, ary tao no nilazana ny hahaterahan’i Izaaka zanany (Gen. 18, 1-15).
  6. Andriamanitra nanafaka an’i Isaaka tamin’ny fahafatesana, ary nampanatena an’i Abrahama fa ho maro toy ny kintana eny an-danitra ny taranany, (Jen. 22, 17), sady nanao fanekem-pihavanana taminy, ka amin’ny taranany no hanasoavana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany satria nanaiky izay voalazany (Jen. 22, 18).

NY MISTERIN’NY HERIN’ANDRIAMANITRA
(isaky ny Talata)

  1. ANDRIAMANITRA nanafaka ny vahoakany voababo tany Ejipta, ary namoaka ny fepetra voalohany momba ny Paka (Eks. 12, 1-15).
  2. I MOIZY – tandindon’i KRISTY – nampisaraka roa ny ranomasina mena tamin’ny heriny mba hizoran’ny vahoaka voafidy ary nampikatona indray ny rano ho an’ireo fahavalon’ny Israely araka ny voalazan’ny salamo 2 mikasika an’ilay Mesia Mpanjaka hoe: «Mangataha dia omena ho lovanao ny Firenena, ho Fanjakanao ny vazan-tany efatra, hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy» (Sal. 2, 8-9) ary voalazan’ny bokin’ny Apokalipsa ny hoe: «Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny Firenena rehetra amin’ny tsora-by, ka nakarina ho any amin’Andriamanitra eo anilan’ny seza fiandrianany».
  3. NY HERIN’ANDRIAMANITRA, miendrika rahona eo ambony Avana izay eo afovoan’ny vahoaka Israely, ary ao anatiny ao ny Tabernakla masina fonenan’Andriamanitra - izany dia maneho koa ny endriky ny Eokaristia masina ao anatin’ny Tabernakla – ary famantarana telo no hita ao dia ny : Tenin’Andriamanitra izay voasorata sy naloaky ny vavany, ny Tehin’i Moizy izay manambara ny fanafahana tamin’ny Ranomasina mena, ary ny Mana nidina avy any an-danitra izay nanala hanoanana ny vahoaka tany an’Efitra.
  4. ANDRIAMANITRA nifidy an’i Davida ka nanosotra azy ho Mpanjaka sy Mpaminanin’israely, ary nampanntena koa fa tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany.
  5. JODITA (Jod. 8-16), izay nampitsingidina ny filohan’ny fahavalon’ny vahoaka voafidy tamin’ny hatsaran-tarehiny no nanafaka azy ireo tamin’ny fatorany ; Izy no tandindon’i Masina MARIA mitafy ny masoandro ary volana no eo an-tongony, mifehiloha Kintana 12 ary manosihosy ny lohan’ilay filohan’ny maizina, dia ny bibilava ; ary dia manafaka ireo voafidin’i Kristy tamin’ny fatoran’ilay ratsy.
  6. NY HERIN’NY FANAHY MASINA izay nanentana an’i Eleazara ho martiry (2 Mak. 6, 18-31), sy nanentana ireo 7 mirahalahy niaraka tamin’ny reniny noho ny firaiketam-pon’izy (2 Mak. 7, 1-41), ireo tamin’ny Lalàn’Andriamanitra sy ny Finoana.

NY MISTERY MAHAFALY
(isaky ny Alarobia)

  1. Ny Arkanjely Gabriely dia mitondra hafatra amin’i Masina Maria fa NY OLONA FAHA-2 AMIN’NY TRINITE MASINA DIA HO TONGA NOFO AO AN-KIBONY rahefa hanaiky Izy.
  2. I Masina Maria dia mamangy an’i Mb. Elizabeta.
  3. JESOA DIA TERAKA AO BETILEHEMA.
  4. Ny nanolorana an'i Jesoa tao an-Tempoly.
  5. I Kristy very dia hita ao an-Tempoly.

NY MISTERIN’NY FAHAZAVANA
(isaky ny Alakamisy)

  1. Jesoa ataon’i Joany Batista Batemy ao amin’ny onin’ny Jordany – «Nony vita Batemy i Jesoa, dia niala avy teo anty rano niaraka tamin’izay, ary indro nisokatra taminy ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny. Dia injay nisy feo avy an-danitra nanao hoe : INTY NY ZANAKO MALALAKO IZAY ANKASITRAHAKO INDRINDRA» (Mt. 3, 17).
  2. Jesoa manao ny fahagagana voalohany rahefa niseho tamin’vahoaka tamin’ny fampakaram-bady tao Kana: – « Nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. Jesoa sy ny Mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Nony inona, lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: tsy manana divay izy ireo; Ary hoy iJesoa taminy: Izaho sy ianao moa no inona amin’izany Ravehivavy?, tsy mbola tonga ny fotoako; Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: ATAOVY IZAY REHETRA HO LAZAINY AMINAREO» (Jn. 2, 2-5). Ity Evanjely ity dia maneho amintsika indrindra ny tenin’ilay Reny masina mba hanaraka sy hiaina hatrany ny Tenin’ny Soratra Masina.
  3. I Jesoa mitory ny hiavian’ny fanjakan’ny Mesia – Ambaran’i Jesoa fa ny fanjakan’Andriamanitra dia efa akaiky ary tsy hahazo izany isika raha tsy miova fo ho tonga madio tahaka ny zazakely..
  4. I Jesoa miova tarehy maneho ny famirapiratan’ny Voninahitr’andriamanitra ao aminy any an-tendrombohitr’i Tabor eo anatrehan’i Moizy sy Elia. – «Nitondra an’i Piera sy Joany ary Jakoba i Jesoa hiakatra any an-tendrombohitra mba hivavaka, ary raha mbola nivavaka iyi dia niova ny tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka nyfitafiany; Ary indro nisy roalahy niresaka taminy dia i Moizy sy Elia izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny handehanany hitory any Jerosalema ny Famonjena tsy maintsy ho tanteraka any; ary nisy Feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: INTY NO ZANAKO MALALAKO, HENOY IZY».
  5. Jesoa mankalazany Pakan’ny Hebrio miaraka amin’ny Apostoly ao amin’ny Senakla, ary namorona ny Eokaristia Masina. – Teny an-tendrombohitr’i Siona, tao amin’ny Senakla no nakalazin’i Jesoa ny Pakan’ny Jody niaraka tamin’ny Apostoly rahefa avy nanasa ny tongotr’izy ireo Izy, ka nanolotyra azy ireo mofo sy divay, ka nilaza izy fa Vatany sy Rany izany izay hatolotra ho famonjena ny olombelona rehetra: izany no namoronany ny eokaristia Masina.

NY MISTERY MAMPALAHELO
(isaky ny Zoma)

  1. Jesoa mivavaka ao an-tanimbolon’i Getsemania.
  2. Jesoa kapohina mafy.
  3. Jesoa helohina tsy ara-drariny ho faty ka ampisatrohana fehiloha tsilo.
  4. Jesoa miakatra eny Kalvery mitondra ny Hazofijaliany.
  5. JESOA MATY TEO AMBONY HAZOFIJLIANY.

NY MISTERIN4NY FAHANGINAN’ANDRIAMANITRA
Fahanginana maneho Fitiavana sy Famindram-po
(isaky ny Sabotsy)

  1. I KRISTY Tao anelanelan’ny andron’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia naneho ny fahanginan’Andriamanitra ka nanafaka ny fanahin’ny olomarina mba hahazo toerana any an-danitra.
  2. I MARIA, noho ny Fitiavan-dReny sady amin’ny maha Renin’ny Fiangonana rehetra azy, na dia teo aza ny fanaintainana teny Kalvery toa sabatra nandefona ny fony, dia nandray teo akaikiny, nankahery, ary niray fo tsy tamin’i Joany irery ihany fa tamin’i Piera sy ireo Apostoly hafa ihany koa izay niarak’ory sy nitebiteby taminy noho ny henatra sy fanafintohinan’ny Hazofijaliana.
  3. Ny Famindram-pon’ny RAY dia tsy toy ny an’ny olombelona, fa ny Zanany mihitsy no nirahiny, ka ny Ra izay nalatsak’ilay Mesia Zanany no famonjena ny olombelona rehetra izay notiaviny tokoa noho ny nahariany azy hitovy endrika aminy.
  4. Toy ny VOA latsaka an-tany ka maty ny fiainan’I Kristy natao Sorona sy ny Rany latsaka teo amin’ny Kalvery; izay no nampitsimoka izao Fahanginan’Andriamanitra izao ho fiainam-baovao tsy ho levona ho an’ny olona izay mandray azy araka ny Fon’I Kristy.
  5. Ny FANAY MASINA, Tao anatin’ny Fahanginana tanteraka ny Sabotsy masina no nanamboatra sy nampifanaraka tanteraka ny fon’ny olona izay tia an’Andriamanitra handray izay zavatra sarotra inoana amin’ny maha olombelona ny filazana ny Fitsanganan-ko velona. Satria Izy Jesoa Kristy “tamin’ny voalohany dia Teny, ary ny Teny dia Tao amin’Andriamanitra sady koa ny Teny dia Andriamanitra. Tao amin’andramanitra tamin’ny voalohany izy: tamin’ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra ary raha tsy izy tsy nisy hary ny zavatra rehetra. Tao aminy ny fiainana ary ny fiainana no fahazavan’ny olona …..Izy no Alfa sy Omega, Izy ilay Tsitoha …. Izy no Zanak’Ondry natao sorona hatrizay ka ho mandrakizay ao ambonin’ny otelin’ny lanitra sady izy irery ihany koa no mendrika handray sy hanokatra ny boky sy ireo fitombony fito ary hanolotra azy amin’ny Ray ho voninahitra mandrikizay ho an’Andriamanitra, ho an’ireo Anjeliny sy ireo Olomasiny”.

NY MISTERY BE VONINAHITRA
(isaky ny Alahady)

  1. JESOA NITSANGAN-KOVELONA.
  2. JESOA NIAKATRA ANY AN-DANITRA.
  3. NY FANAY MASINA NIDINA TAMIN’I MASINA MARIA VIRJINY SY NY APOSTOLY NIARA NIVAVAKA TAO AMIN’NY SENAKLA.
  4. I Masina Maria Verjiny NIAKATRA any An-danitra.
  5. I Masina Maria Virjiny nosatrohina satroboninahitra any An-danitra ho Mpanjakavavin’ny lanitra sy ny tany.

ARAHABA, RY MPANJAKAVAVY!

Arahaba ry mpanjakavavy, ry Reny be indrafo, fiainanay, maminay, ary fanandenananay arahaba! Ianao no antsoinay zanak’I Eva voasesitany, Ianao no hisentosentoanay mitaraina sy mitomany amin’ity lohasahan-dranomaso ity. Eny ry mpisolovava anay, ireny masonao feno indrafo ireny mba atodiho aminay. Ary raha afaka amin’ity sesin-tany ity, ataovy mahita an’i Jesoa naloaky ny kibonao izahay. Izany Ry be indrafo. Izany ry be fitiavana. Izany e, ry Maria virjiny maminay

LITANIAN’I VIRJINY MASINA

Tompo ô mamindra fo aminay, Tompo ô mamindra fo aminay.

Kristy ô mamindra fo aminay, Kristy ô mamindra fo aminay.

Tompo ô mamindra fo aminay, Tompo ô mamindra fo aminay.

Kristy ô henoy izahay, Kristy ô henoy izahay.

Kristy ô ekeo ny fangatahanay, Kristy ô ekeo ny fangatahanay.

Andriamanitra Ray any An-danitra, Mamindrà fo aminay.

Andriamanitra Zanaka Mpanavotra an’izao tontolo izao, Mamindrà fo aminay.

Andriamanitra Fanahy Masina, Mamindrà fo aminay.

Andriamanitra tokana olona telo, Mamindrà fo aminay.

Masina Maria ô, Mivavaha ho anay.

Virjiny lohan’ny verjiny rehetra,

Renin’i Kristy,

Renin’ny Fitiavan'Andriamanitra,

Renin’ny fahasoavan’Andriamanitra,

Renin’ny Famindram-po,

Renin’ny Fanantenana,

Reny madio indrindra…y,

Reny virjiny mandrakizay,

Reny tsy azon’ny loto,

Reny mahatehotia,

Reny mahagaga,

Renin’ny torohevitra tsara,

Renin’ny fanalana alatelo,

Renin’ny Nahary,

Renin’ny Mpamonjy,

Renin’ny Fiangonana,

Renin'ny Mahantra,

Renin’ny Farany,

Virjiny be fahamalinana,

Virjiny feno fahendrena,

Virjiny mendrika hohajaina,

Virjiny mendrika hankalazina,

Virjiny mahefa,

Virjiny be indrafo,

Virjiny mahatoky,

Fitaratry ny Fahamasinan’Andriamanitra,

Lapan’ny Fahendrena,

Fototry ny faharavoanay,

Fonenan’ny Fanahy Masina,

Fonenana mamirapiratra,

Fonenana natokana ho an’Andriamanitra,

Fonenan’ny Avo indrindra,

Vonindraozy mahagaga,

Zanakavavin’i Siona voafidy,

Trano fiarovan’i Davida,

Trano fiarovana Ivoara,

Trano mimanda,

Tempoly Volamena,

Fiara velon’ny fanekena,

Varavaran’ny Lanitra,

Kintana fitarik’andro,

Fahasitranan’ny marary,

Aron’ny mpanota,

Mpanambitamby ny malahelo,

Fanampiana sy Fampiononana an’ireo Mpifindra Monina,

Vonjin’ny Kristianina,

Mpanjakan’ny Anjely,

Mpanjakan’ny Patriarca,

Mpanjakan’ny Mpaminany,

Mpanjakan’ny Apostoly,

Mpanjakan’ny Martiry,

Mpanjakan’ny Kônfesôry,

Mpanjakan’ny Virjiny,

Mpanjakan’ny Olomasina rehetra,

Mpanjaka tsy voakasiky ny fahotana tamin’ny fototra,

Mpanjaka nampiakarina any An-danitra,

Mpanjakan’ny Rizery Masina indrindra,

Mpanjakan’ny fianakaviana,

Mpanjakan’ny Fiadanana,

Reny sady Mpanjakan’ny Karmely,

Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao, Mamindra fo aminay ry Tompo.

Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao, Henoy ny fangatahanay ry Tompo.

Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao, Ekeo ny fangatahanay ry Tompo.

Mivavaha ho anay, ry Reny Masin’Andriamanitra, mba ho tonga mendrika ny nampanantenain’i Kristy izahay.

Mihanta Aminao izahay ry Tompo, mba arotsay ao am-ponay ny Fahasoavanao, ary satria nolazain’ny Anjely ka fantatray fa tonga Nofo I Kristy Zanakao, dia aoka ny nijaliany sy ny nifantsihany mba ho mendrika anay hahazo ny Hasambarana mahavelona mandrakizay. Amen.

Famantaran’ny Hazofijaliana: Amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina. Amen.


Arcidiocesi di Reggio Calabria-Bova - Nihil obstat, 12.2.2008

Santo Rosario Biblico della Beata Vergine Maria

Testo a cura di Carmelo Saraceno

Free counter

Realizzato da ITGO.it - Tutti i diritti riservati.